Hita faty nihantona teo an-tokotanin’ny sakaizany tao Vavatenina, ny alahady teo, ny renim-pianakaviana iray 40 taona. Manan-janaka roa samy efa lehibe ity renim-pianakaviana ity saingy efa maty vady, ny taona 2012. Miaraka amin’olona efa ho telo taona anefa izy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Mpiasa amina orinasa tsy miankina iray io sakaizany io, ka mamita iraka any an-toerana. Ny alahady tolakandro teo, tonga tany Vavatenina. Toy ny efa fanaon’ izy ireo, misotrosotro, ka nitarika azy hamonjy karaoke ramatoa vadiny saingy tsy nety nandeha ilay rangahy. Vokany, lasa nandeha irery ramatoa. Tokony ho tamin’ny 1ora maraina, tafaverina avy namonjy karaoke ramatoa ka raikitra teo ny adin’ izy mivady. Niafara tamin’ny fangoronan’entan-dramatoa izany fa hoe hody. Nivoaka ny trano izy, nohidiny tao an-trano rangahy vadiny. Nentiny teny an-tanany ny fanalahidin’ny trano. Hatairana anefa ny an’ireo manodidina fa nihantona tamin’ny tady teo ambony hazo manoloana ny trano ipetrahan’izy roa ilay ramatoa. Ilay rangahy tao an-trano no niantsoantso ireo namany fa nohidin-dramatoa ao an-trano izy. Tonga tamin’ny moto ireo namany ka teo vao samy nahita fa efa olona mihantona amin’ny tady no hita teo an-tokotany. Nezahina nentina hopitaly saingy tsy avotra intsony ny ainy.
Sajo/J.C