Nigadona teny Ivato, omaly atoandro, ireo Malagasy nigadra tany Afrika Atsimo, nanondrana ilay volamena 73 kg. Ny Interpol no nitondra azy ireo, izay navantana eny Tsiafahy.
Ela ny ela, misy fivoarany ny « Raharaha volamena 73 kg ». Neken’ny fitsarana afrikanina tatsimo ny fampodiana an’ireo teratany malagasy roa lahy, nigadra tany an-toerana. Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin’ny 1 ora sy 50 mn izy ireo. Ny fiaramanidina an’ny kaompaniam-pitaterana Airlink, niala tao Johannesburg no nitondra azy mirahalahy. Naka azy avy any Johannesburg kosa ny polisy iraisam-pirenena na ny Interpol, sampana eto Madagasikara, izay notarihin’ny kaomisera divizionera Roston.
Natolotra ny sampandraharahan’ny fonja avy hatrany i R.F sy M. D izay nitondra ny volamena avy ao Toliara, ny andron’ny 31 desambra 2020, nihazo ny seranam-piaramanidina tao Johannesburg. Ny lehiben’ny fonja avy ao Antanimora no nandray an-tanana ny antontan-taratasy manamarika ny fifamindrana andraikitra teo amin’ny Interpol. Nalefa nihazo avy hatrany ny fonjaben’i Tsiafahy kosa ireo voarohirohy.
Rezimanta …
« Rezimanta be”, araka ny fiteny mahazatra ny fahatongavan’ny delegasiona, nitsena azy mirahalahy teny Ivato, omaly. Tazana teny an-toerana ny solontenan’ny fadintseranana, ny avy amin’ny Aviation civile de Madagascar (ACM), ny polisy misahana ny sisintany. Ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, izay misahana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina sy ny fitandroana ny filaminana kosa no niantoka ny fanaraha-maso rehetra sy ny fisorohana ny mety ho korontana.
Fiara raitra izay an’ny zandarimariam-pirenena sy ny sampandraharahan’ny fonja no nandraisana ny mpanao trafika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Nilamina tsy nisy olana ny fampodiana azy ireo, hatreny amin’ny fonja.