Behenjy: maty voatifitra i Tsimisangy

Maty rotiky ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana teny Ambohimangakely, afakomaly, i Zena na i Tsimisangy. Teo am-piomankomanana ny hanafika mpandraharaha iray ao Ankadindambo Ambohimangakely izy sy ireo namany. Efa fantatry ny zandary mialoha anefa ny toerana hiafenan’ireo jiolahy mikotrika fanafihana ireo. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa jiolahy mpangalatr’omby sy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ry zalahy ireo. Tratra tao Manantenasoa Ambohiman­gakely i Tsimisangy. Fantatra fa ny alatsinainy alina teo no saika hatao io fanafihana io, kanjo efa nametraka ny vela-pandrika ny zandary. Niatrana mialoha tao Ankadindambo ny zandary ka hita tokoa ireo jiolahy enina mirongo fiadiana. Raikitra teo ny fifandonana teo amin’ilay toerana misy ilay mpandraharaha. Vokany, maty voatifitra i Tsimisangy rahalahin’i Desta Be sy i Naivo Be (samy efa maty voatifitry ny zandary). Anisan’ireo nahafaty ilay zandary Adjidà-sefo teny Ambatomirahavavy i Tsimisangy.

J.C

Partager sur: