Voasambotry ny Tafika tao Betaikena Morafenobe, afakomaly, ny dahalo roa lahy fantatra amin’ny anarana hoe i Davory sy Boloko. Ireo miaramila ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Tsiribihina no nahasambotra ireto malaso ireto tao Soabaiboho, fokontany Betaikena. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando fa ry zalahy ireto no tompon’antoka tamin’ny fitifirana polisy tao amin’ny fokontany Antsoha, kaominina Morafenobe. Mbola hita teny amin’izy ireo ny ratra nandritra izany fifandonana izany. Maro ny fanafihana efa vitan’io andian-dahalo io tao amin’ity kaominina ity. Natolotra ny polisim-pirenena ao an-toerana ny fanohizana ny fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana.
J.C