Tra-tehaky ny polisy tetsy Iavoloha ireo telo vavy isan’ireo mpamatsy rongony eto an-drenivohitra. Nisy ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana mombana fiara taksiborosy avy any atsimon’ny Nosy nitondra zava-mahadomelina. Ny alatsinainy teo, narahi-maso avy hatrany ilay fiara ka tratra teo Iavoloha, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Araka izany hita teny amin’ny fitoeran’entana tao anaty harona plastika anaty gony ny rongony 10 kilao. Azy telovavy voalaza etsy ambony ireo rongony ireo. Vokany, noentina teny amin’ny biraon’ny polisy ireo tompon’entana. Niakatra fampanoavana afakomaly ny raharaha ka samy voatazona am-ponja vonjimaika izy rehetra. Ankoatra ity, vehivavy iray hafa kosa saron’ny polisy tetsy Andohatapenaka, afakomaly. Nahitana fonosana rongony 123 isa sy rarany 200g teny amin’ny tafon-trano fonenany. Nambarany moa fa an’ilay mpanofa trano izany ary efa valo volana no namarotan’izy ireo izany.
Olona telo hafa voasambotry ny polisy teny Ambodivona, afakomaly. Tratra amina hotely iray teny an-toerana nifoka rongony mahery vaika ny lehilahy sy vehivavy iray. Taorian’izay, natoron’izy ireo ny olona mpamatsy izany ka voasambotra ihany koa. Araka izany, mbola hita teny amin’ity farany ny 1.5g “cocaïne base”, “20 bonbons d’extasy”, “sisha” miisa efatra ary “briquets” miisa enina. Niaiky ny zava-bitany ireto voasambotra. Nambarany nandritra ny fanadihadiana ihany koa fa nalefa taksiborosy avy any Mananjary ireo zava-mahadomelina ireo.
Henintsoa Hani