Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tamin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahafito, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Mpandeha efatra mianadahy maty tamin’izany.
Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny vehivavy sy ny lehilahy iray tao anatin’ny taksiborosy iray tra-doza mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, teo amin’ny RN7 PK 715+850 teo amin’ny fokontany Mangatokana, kaominina ambanivohitra Andohanilalaka, distrikan’Ihosy , afakomaly alina. Tamin’ny 10 ora latsaka, nifaoka andrin-jiro iray tampoka ity fiara mpitatitr’olona ity. Niala izany, nirona tamin’ny arabe ny fiara. Araka ny famotoran’ny zandary, tratry ny torimaso fotsy ny mpamily ity taksiborosy niharan-doza ity. Niparitaka, noho izany, ny fitaratry ny fiara ary nisy tamin’ireo mpandeha tafavoaka avy hatrany teny ivelany. Mpandeha roa namoy ny ainy. Vaky loha ilay lehilahy ary tapaka ny tanany havia. Maty noho ny fahaverezan-dra be loatra ilay ramatoa. Araka ny resabe amin’ny tambajotran-tserasera, “mbola tsy voamarina na bevoka marina na tsy io vehivavy namoy ny ainy io”, hoy ny zandary. Olona hafa enina naratra mafy. Nanavotra ireto tra-doza ireto ireo manodidina sy ny mpitandro filaminana ka nitondra azy ireo teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Tetsy ankilany, nitondra ampalibe ity vehivavy namoy ny ainy ity, araka ny nambaran’ny mpamily saingy tsy niteny azy ireo. Ny fitondrana io karazam-boankazo io amin’ny lalam-pirenena anaty fiara izay heverin’ny ankamaroan’ny mpitatitra fa mitera-doza hatrany. Notanana atao fanadihadiana ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Andohanilakaka ny mpamily sady tompon’ny fiara. Nogiazana kosa ity fitaovam-pitaterana nitera-doza ity.
Roa maty teny amin’ny RN4
Ankoatra io, niharan-doza teo amin’ny 20 km tsy hidirana an’Ankazobe, ny taksiborosy iray hafa, nampitohy an’i Port-Berger sy ny Renivohitra omaly vao mangirandratsy. Nandeha mafy ny fiara, araka ny fahitan’ny zandary ny fahavoazany. Nanamafy anefa ny mpamily fa nivadika noho ny tsy fisian’ny hisatra tampoka izy ireo. Vokatr’io loza io, olona 12 naratra mafy ka nentina namonjy toeram-pitsaboana. Tsy tana anefa ny ain’ny roa mianadahy tamin’ireo 12 ireo ka nitarika ny fahafatesany. Manaraka fitsaboana kosa ireo folo hafa niharan’ny loza. Atao andrimaso eo anivon’ny zandary ao Ankazobe ilay mpamily. Tsiahivina fa niseholany tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana eny amin ‘ny lalam-pirenena. Anisan’izany ny fivadihan’ny fiara 4×4 iray tao amin’ny RN2, afakomaly. Tsy nisy aina nafoy tamin’io loza io. Manentana ny mpampiasa ny lalam-pirenena hanaja ny hafainganam-pandeha sy hanaraka ny tokony ho izy kosa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena hisorohana ny loza toy izao.
Tsiferana Randriatiana