Tao anatin’ny iray volana, mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ataon’ny jiolahy any Vatomandry. Lasibatra ny tsena iray any an-toerana ny alatsinainy tamin’ny 6 ora sasany hariva teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsena iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarasambo, distrikan’ i Vatomandry, ireo olon-dratsy. Norahonany ny Ramatoa tompon-tsena, nambanany tamin’ny basy ary nafatotr’izy ireo avy eo mba hakany ireo entana sy ny vola rehetra tao an-tsena. “Noentina niakatra tany ambony rihana aho ary norahonana hovonoina raha tsy mamoaka ny vola rehetra. Nangatahin’ izy ireo koa ny basin’ny vadiko saingy tsy hitako izay nisy azy”, hoy ilay ramatoa voaroba. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola rehetra efa ho tapa-gony izay vidina vokatra maro toy ny katsaka, jirofo…
Miisa fito ireo jiolahy, hoy ny fokonolona, niandry tao an-tokotany ny telo tamin’izy ireo. Nitsoaka namakivaky ny tanàna avy hatrany izy ireo rehefa vita ny asa ratsiny. Nanenjika sy nitora-bato azy ireo ny fokonolona tao aorian’izay. Namaly tamin’ny tifitra kosa ireo jiolahy ka raikitra ny fifanjevoana. Vokany, olona roa tamin’ireo fokonolona voan’ny bala teo amin’ny masony, voatifitra teo amin’ny tongony ny iray. Notsaboina tao amin’ny hopitaly ao Vatomandry avy hatrany ireo voatifitra ireo.
Marihina fa tsy nisy polisy kaominaly na ben’ny Tanàna nandritra izany savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona, raha ny tatitra voaray. Adiny roa taty aorian’ny fanafihana vao tonga ny zandary ao an-toerana. Adiny iray kosa no tonga ny zandary ao Ilaka Atsinanana.
Vatomandry, lasa faritra mena
Fantatra fa indroa voatafiky ny jiolahy mitam-piadiana ity tsena ity raha ny loharanom-baovao. Tamin’ny volana jiona 2020 ny voalohany, ary izao tratra izao indray. Tsiahivina fa mitovy ny basy nampiasain’ireo jiolahy tamin’ireo andro ireo. Nampiasa fitaovam-piadiana toy ny Calibre 12 miisa roa, basy P.A roa ary antsibe ireo jiolahy tamin’ny fanafihana voalohany. Nahatratra 200 tapitrisa Ar ny vola voaroba tamin’izany. Tsy nametraka fitoriana ny niharam-boina satria tsy matoky ny fomba fiasan’ny fitsarana sy ny zandary any an-toerana. “Tsy mandray andraikitra avokoa ny tompon’adraikitra manomboka amin’ny ben’ny Tanàna, ny zandary ary ny fitsarana”, hoy izy. “Manome vahana ny asan-jiolahy avokoa ireo”, hoy ny mponina nanaovana fanadihadiana. Variana amin’ny tombotsoany ny zandary any an-toerana ka tsy mijery ny tsy fandriampahalemana.
Miantso ny fitondram-panjakana ny mponina amin’izao tsy fandriampahalemana misesy izao.
Sajo sy
Mino (Mpianatra Asa)