Varotra basy: enin-dahy voasambotry ny zandary

Voararan’ny lalàna velona ny fivarotana basy tsy misy taratasy. Tamin’ity indray mitoraka ity, tra-tehaky ny zandary ny enin-dahy saika hivarotra izany an-tsokosoko tao Vondrozo. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina ireo jiolahy, ny asabotsy lasa teo. Tsiahivina fa naharay vaovao momba ity raharaha ity ny zandary avy ao Von­drozo, herinandro vitsy lasa izay. Araka izany, natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo minia manao izany. Vokany, voasambotra avokoa ireo lehilahy voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Fan­tatra tamin’izay fa tsy nisy taratasy ilay basy nokasaina hamidy ka nogiazana avy hatrany. Aorian’ny famotorana, hiakatra fampanoavana izy enin-dahy ireto.
Marihina fa isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo ny varotra basy tsy ara-dalàna. Mazàna vidian’ireo dahalo mpanao fanafihana izany ary entiny hanaovany ny asa ratsiny sy hamonoana olona. An­koa­tra izay, misy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana izay handraisana sy hanaterana ireny basy tsy ara-dalàna ireny eny amin’izy ireo. Tsy samborina na koa voasazy ireo manatitra izany eny amin’ny biraon’ny zandarimaria.

Henintsoa H.

Partager sur: