Ranty saripika: 15 taoana ny Madagaslam

Taorian’ny fifaninanana na­sionaly teo amin’ny «Slam » nahafahana namantatra ny tompondakan’i Ma­da­gasikara. Mitohy amin’ny fampirantina, ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana Madagaslam. Eny amin’ny Ivontoeran’ny Ko­lon­tsaina Malagasy na IKM Antsahavola no hanatanterahana izany. Hetsika nanomboka ny 2 desambra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 23 desambra 2022.
«Tanjona ao anatin’izao ny hanaovana jery todika ny lalana nodiavin’ny fikambanana sy ny hampahafantarana ny zava-nisy hatramin’izay 15 taona nisian’ny fikambanana Madagaslam izay», hoy i Tajero, mpankafy Slam. Man­dravaka ny efitrano fampirantian’ny IKM eny Antsahavola ny sary maro isaky ny karazany avy. Isan’izany ny sarin’ny filohan’ny fikambanana hatramin’izay nisian’ny Mada­gaslam izay. Eo ihany koa ny sarin’ny tompondaka isan-taona izay nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Ta­zana ao ihany koa ny akanjo nentina nanamarihana ny «Festival Madagaslam» tao anatin’izay 15 taona izay.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: