Miasa mafy ny zandary! Voasambotra taty an-drenivohitra ny lehilahy roa, ahina ho mpamatsy bala sy basy ny mpaka an-keriny. Tratra ny basy lava sy basy poleta, miampy bala amin’ny baoritra.
Manao ny ainy tsy ho zavatra ny zandarimaria! Manomboka voafehy tsikelikely ny faritra fivezivezena sy fieren’ny jiolahy, manomboka tratra tsikelikely ny mpamatsy basy. Raha ny vaovao nampitaina tamin’ny mpanao gazety, omaly, nisy lehilahy roa voasambotra teto an-drenivohitra. Nahitana basy sy kojakoja fanamboarana basy vita gasy ny iray. Ity farany no voalaza fa nanondro ny namany. Basy lava miisa enina sy basy poleta telo no voalazan’ny loharanom-baovao fa hita tao an-tranon’ity voasambotra faharoa ity. Nampivarahontsana kosa ny nahita ireo bala maro karazana sy marobe tao an-trano. Nisy ny balana basim-borona, misy ny balana poleta. Tsy mba am-polony fa an-jatony maro no tratra, izay nafenina tao anaty baoritra vitsivitsy. Noho ny famotorana sy ny fanadihadiana mandeha dia tsy misy ny antsipiriham-baovao azo ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Tazomina amin’ny biraon’ny zandary eto an-drenivohitra izy ireo.
Fangalampiery
Mitohy ny fampandrian-tany any ifotony ataon’ny zandarimariam-pirenena, amin’ny hetsika “Harato 2”. Maro ny vokatra tsara saingy mbola misy ny fakana olona an-keriny any an-toerana. Antony iray tsy mahafoana sy mampananosarotra ny fisamborana rahateo ny fisian’ny jiolahy ambony latabatra aty an-drenivohitra. Raha ny fantatra dia misy ny mpitandro filaminana am-perinasa, misy ny efa niala an-daharana, tafiditra anatin’ny tambajotran’ny mpamatsy fitaovam-piadiana.
Ankoatra ny basy Kalachnikov sy ny Mass 36 nahoraka hatrizay, mitazona basy poleta koa ny lehiben’ny jiolahy. Raha ny siosion-dresaka, nampitain’ny loharanom-baovao avy any an-toerana, misy manana bala hatrany amin’ny 500 isa no mihoatra ny jiolahy iray. Mahasahy mihantsy ny mpitandro filaminana izy ireo, araka izany. Hany ka zary milalao toy ny saka sy totozy ny mpampandry tany sy ny mpaka an-keriny.
Mila manetsika helikoptera sy fitaovana misimisy kokoa ny mpitandro filaminana manoloana ny hodidina misy any Tamponketsa.
r.r