Manohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana hamantarana ny toerana nivoahan’ireo sokatra tratra tany Thaïlande ny zandarimaria, ny ekipan’ny Dred ary ny MNP amin’izao fotoana. Faritr’ala 28 no hita mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana. Komity ifotony momba ny valanjavaboahary 425 ihany koa miara-miasa amin’ny MNP. Tsy ahitana sokatra “astrochelys radiate” ao amin’ny ditrikan’ i Morombe, araka ny fanazavan’ny Dred. Ahitana “lemur catta” kosa anefa iny faritra iny saingy vitsy anisa ka tsy mifanaraka amin’ny fanamarinana ny tarehimarika voalaza fa tratra. Ireto toerana ireto no tena ahitana maro ny sokatra “radiata astrochely”, ao amin’ny tapany atsimon’ ny Nosy dia Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Cap St Marie, Lavanono, Bevoalavo, Androany, Gogogogo, Efotake. Na dia eo aza izany, miroso ny fanadihadiana ny tena nivoahan’ireo biby arovana ireo.
CMS