Maty notsindronin’ny tovolahy iray antsy ny tovovavy iray sakaizany tao amin’ny fokontany Mananara, Anjozorobe, afakomaly hariva. Voalaza fa hasarotam-piaro no nahatonga ny adin’izy ireo ka izao niafara tamin’ny vonoan’olona izao. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ ny mpiara-mianatra amin’izy ireo, samy mpianatra kilasy voalohany (1ère) ao amin’ny Lycée Anjozorobe ireto mpifankatia nifamono ireto ary samy manofa trano ao Anjozorobe. Niaraka izy roa rehefa avy nirava nianatra tamin’ny 4 ora hariva, tamin’io afakomaly io. Nentin’ilay sakaizany tany aminy ilay tovovavy. Nisy ny fifamaliana teo amin’izy ireo noho ny hasarotam-piaro, araka ny fanazavan’ny mpianatra iray mpiara-manofa trano amin’ilay tovolahy. Naheno antso vonjy io namany io ka niantso ny manodidina mba hamonjy. Hita tamin’izany fa samy efa naratra izy roa. Ny fizahana nataon’ny dokotera, niaraka tamin’ny zandary, no nahalalana fa nahitana dian’antsy teo amin’ny faritry ny lohan’io tovovavy io. Teo koa ny ratra lalina teo amin’ny kibony. Tsatok’antsy iray teo ambanin’ny tratrany kosa no hita tamin’ilay tovolahy sakaizany. Nikorontana ny entana tao an-trano, nahitana ra tamin’ny tany. Hita tao ambany fandriana kosa ny antsy iray mihosin-dra nampiasaina tamin’ny famonoana. Nalefa niakatra aty an-drenivohitra ilay tovolahy naratra satria tsy vita tao Anjozorobe ny fitsaboana azy. Ny zandary kosa no misahana ny fiambenana io tovolahy io eny amin’
ny hopitaly.
Jean Claude