Fitantanana ny zon’ny mpamorona : lany teny Tsimbazaza ilay tolo-dalànan’i Rossy

Taorian’ny asam-baomiera tamin’ny alatsinainy, nentina teo anivon’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina teny amin’ny Antenime­ram­pi­re­nena Tsimbazaza ilay tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert, na Rossy, omaly. Nolanian’ireo solombavambahoaka tonga tao, araka izany, ilay tolo-dalàna laharana faha-002-2022/PL, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana 94-036 mahakasika ny zon’ny mpamorona.
Antony maromaro no na­hatonga izao tolo-dalàna izao araka ny fanazavana nomen’ ny Solombavambahoaka Ra­ha­simanana Paul Bert. “Vokatry ny fifampidinihana teo amin’ireo mpisehatra isan-karazany eo amin’ny za­vakanto io. Ny lalàna manan-kery teo aloha mahakasika ny zon’ny mpamorona dia efa nilaozan’ny toetrandro ka tsy nifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia izay misy amin’izao fotoana izao. Natao ihany koa izao ho famahana ny olana misy matetika eo amin’ny fitondram-panjakàna sy ny OMDA”, hoy hatrany ity solombavambahoaka sady sekretera jeneralin’ny sendikan’ny mpanakanto ity.
Fantatra ihany koa anefa nandritra ny fivoriana fa no­raisina avokoa ireo tolokevitra sy fanamarihana avy amin’ny governemanta, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, afa tsy ny mikasika ny teboka iray lehibe. Mikasika ny fametrahana ilay rafipanjakana tsy miankina (autorité administrative indépendante) hisahana ny zon’ny mpamorona io. “Tsy mbola misy ny lalàna mamehy izany ka ho sarotar ny hametraka ny Omda ho anisan’ izay”, hoy ny nambaran’ny tale jeneraly misahana ny kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, Razafiarison Francis, izay sady mpanakanto ihany koa.
“Marihiko manokana fa tsy notoherin’ny minisitera mihitsy ity tolo-dalàna ity. Efa nisy aza ny eritreritra hoe manohana izay tolo-dalàna ho avy eo hanatsarana ny fitantanana ny zon’ny mpamorona, hahay hiara -hiasa amin’izay teknisianina rehetra afaka hifanampy izahay. Maharary ny mpanakanto mantsy ity zon’ny mpamorona ity, ka enga naie hisy ny marimaritra iraisana ary hivoaka izay mahamety ny rehetra”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ ny kolontsaina.
Na izany na tsy izany, nanao fanamarihana ihany ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa ny lafiny teknika ihany no nidiran’izy ireo. Nampiditra hatrany ny resaka politika, izay nampifandraisina amin’ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao anefa ireo solombavambahoaka. “Marihiko etoana fa tsy hitanay maso ireo fanamarihana nentin’ny minisitera izay nolazaina fa noraisina. Ny filoham-baomiera no namaky azy io, ary tsy nome fotoana mba namakiana akory izahay na dia hoe ora iray aza”, hoy hatrany ny Razafiarison Fran­cis. Tsiahivina fa efa nitaraina noho ny tsy naemala azy ireo handray anjara tamin’ny asam-baomiera ny alatsinainy teo ny ekipan’ny minisitera.

Randria

Partager sur: