Anisan’ireo tarika malagasy mivoy ny rock, misongadina hatrany ivelany ry Dizzy Brains. Porofon’izany ny fahombiazan’ny “Dahalo Tour 2022”, na ny fitetezam-pirenena tany Eoropa nataon-dry Eddy sy ny tariny. Tontosa avokoa ireo seho 26 nampahafantarina mialoha, izay nanomboka tamin’ny volana jolay tao Frantsa. Tany rahateo ny ankamaroan’ny seho, ankoatra ny tany Suisse sy Portugal. Anisan’ny hetsika goavana indrindra nandraisan-dry Dizzy Brains anjara tamin’ity fitetezam-pirenena ity kosa anefa ny “World Music Expo”, tany Portugal ny volana oktobra.
Araka ny anarana nampisaloran-dry zalahy ny fitetezam-pirenena,ilay rakikira farany “Dahalo” no tena nampahafantarina nandritra izany. Ny tonony no amin’ny teny Malagasy fa ny mozika kosa iraisan’izao tontolo izao, hany ka mora voaray na taiza na taiza toerana niseharan-dry zalahy. Nisy ireo hira taloha, efa nalaza ihany koa ka nisarika ireo tia mozika, indrindra ny mozika rock, hanaraka akaiky ity tarika ity.
Zo ny Aina