Nokarohina nandritra ny herintaona, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Manjakandriana voasambotra. Nalefa eny Tsiafahy hiandry ny fotoam-pitsarana azy.
Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, ny jiolahy raindahiny, fantatra amin’ny solon’anarana Livakely, afakomaly. Tompon’antoka sady atidoha nikotrika ny fanafihana mitam-piadiana niseholany tao amin’ny kaominina Manjakandriana, ny volana desambra 2023 sy janoary 2024 teo, izy. Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany Isoavina, kaominina Ambanitsena, ny 22 janoary 2023 tamin’ny 12 ora alina. Nitondra basy natao tanana sy antsy ireo olon-dratsy. Norahonany ny tompon-trano. Norobain’ireo jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao amin’io tokantrano io. Tetsy ankilany, vehivavy roa tsy ampy taona nanamparan’ ireo tsy mataho-tody ny filan-dratsiny. Nanararaotra nandositra nitondra ny entana halatra izy ireo.
Tsy nisy nisaron-tava
Nanao ny fanadihadiana tao amin’ny tokantrano lasibatra ny zandary, tamin’io 22 janoary io. Tsy nisy nisaron-tava ireo mpandroba, araka ny fanamafisan’ny lasibatra. Tadidin’izy ireo avokoa ireo olon-dratsy. Nanokatra fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana. Vokatry ny angom-baovao, voamarin’ny mpanao famotorana fa tompon’antoka tamin’io fanafihana nitam-piadiana io i Livakely. Dimy volana taty aoriana, naharay loharanom-baovao ny zandary fa nihaodihaody tao amin’ny tanànan’Isoavina io jiolahy raindahiny io. Nandrasan’ireto farany kendritohina izy ka noraisim-potsiny, ny 9 mey tamin’ny 3 ora folakandro. Naseho ireo niharam-boina izy. Nanamafy ireo lasibatra fa ilay jiolahy nandroba sady nanolana azy ireo tokoa io tratra io. Nentina natolotra ny fampanoavana izy ka izao niafara amin’ny fihazonana any Tsiafahy izao.
Tsiferana R.