Fanavaozana ny rafi-panabeazana : lany teny anivon’ ny Antenimierandoholona ilay volavolan-dalàna

Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Ante­ni­mi­e­ran­doholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata lasa teo ny volavolan-dalàna laharana fa­ha-009/2022, tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny La­là­na mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Ma­da­gasikara,
Isan’ny teboka misongadina ao amin’ity volavolan-da­là­na ity ny fametrahana politikan’ny teny hoenti-mampianatra. Eo koa ny fanovana sy fanavaozana ny rafi-panabeazana, tsy maintsy mandalo eny amin’ny kilasy garabola mandritra ny taona iray ma­no­mboka amin’ny fahadimy taonany ny zaza madinika. Voa­ra­kitra ao ny fitsinjaran’ny fampianarana ankapobeny ho «sous-cycle» efatra, izay telo taona avy. Tsy maintsy lalovana misesy ireo ahafahana mamoaka «profils de sortie» isaky ny avy mahavita «sous-cycle”. Efa ampiharina amin’ izao taom-pianarana izao ny fi­tsinjarana ny tetiandrom-pa­mpianarana ho roa volana dimy mandritra ny taom-pianarana iray raha natao ho isa­ky ny telo volana izy teo aloha. Voarakitra ao anatin’ity fanavaozana ity izany. Mi­son­gadina ao ny fametrahana vo­vo­nana ahafahana mifampidinika sy mifampizara amin’ ireo sekoly miahy tena.
Efa naneho ny ahiahiny momba ity fanavaozana ity ny sekoly miahy tena satria am­barany fa tsy nisy ny fankan-kevitra niarahana mialoha ny nanolorana izany holanian’ny andrim-panjakana mpanao lalàna roa.

Vonjy A.

Partager sur: