Hita faty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, afakomaly, ny Tangalemana iray 70 taona. Natsipin’ireo nahavanon-doza tao anaty dobo ny razana. Teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Magnano bingy , iray kilometatra tsy hidirana ny renivohitry ny kaominina ambanivohitr’i Maromitety no nahitana ny fatiny efa natsingevan’ny rano. Tebiteby sy horohoro ny an’ireo mponina ao amin’ny kaominina raha nahita ny fatin’ ity Tangalamena ity. Nahitana ratra maro ny vatany tamin’ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary. Raha ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny dokotera, novonoina vao haingana izy io, mialoha ny nanipazana azy tao anaty rano. Hatreto, tsy mbola fantatra izay nahavanon-doza sy tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Any amin’ireo olona mpiray lova aminy kosa no iantefan’ny ahiahin’ny fianakaviany sy misy ifandraisany amin’izao raharaha vonoan’olona izao. Ao koa ireo manombana fa fialonana tsotr’izao ny tao ambadik’ity raharaha ity. Tao anatin’ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa tsy vao sambany nitrangana vonoan’olona sy fanolanana ao anatin’ny distrikan’i Vavatenina. Anisan’ izany ny tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Marotety, ny herinandro lasa teo. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary, araka izany, no hamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity
SaryTangalamena