Manatsara ny fari-piainan’ny fianakaviany any amin’ny tany niaviany, ny vola alefan’ireo vahiny miasa any amin’ny firenena mandroso. Nihena ihany anefa izany tamin’ity taona ity, raha oharina ny nalefan’izy ireo ny taona 2021.
Na eo aza ny krizy samihafa manerantany, milaza ny Banky iraisam-pirenena (BM) fa afaka nandefa vola any amin’ny firenena niaviany, indrindra ireo andalam-pandrosoana, ny tera-tany miasa sy monina any ivelany, any amin’ny firenena mandroso, ny taona 2022. Manodidina ny 626 miliara dolara ny vola nalefan’izy ireo, nisy fitomboany +5% raha oharina ny taona 2021. Na izany aza, nihena taha io raha oharina ny taona 2021, izay nahitana fitomboana +10,2%.
Mitatitra ny Baky Iraisam-pirenena fa tena ilain’ny tera-tany tokoa ny vola alefan’ny mpiray tanindrazana aminy any amin’ny firenena niaviany. Mampihena ny fahantrana, manatsara ny fanjarian-tsakafo, mampihena ny fiterahan’ ny vehivavy, mampitombo ny tahan’ny fidiran’ny ankizy an-tsekoly, manatsara ny trano fonenana, afaka miatrika ny voina sy loza voajanahary, sns. Izany hoe, manatsara ny fari-piainan’ireo tokantrano sahirana amin’ny ankapobeny mihitsy.
Nihena ny fahefa-mividin’ireo miasa any ivelany
Manazava ny BM, fa antony maro ny nahatonga ny fitombon’ny vola alefan’ny tera-tany miasa any ivelany any amin’ny firenena niaviany. Nitombo ny isan’ireo lasa miasa any ivelany rehefa niverina nisokatra indray ny sisin-tany taorian’ny krizy Covid-19, ka afaka manampy ny fianakaviany sy ny havany any antanindrazany. Na izany aza, nihena ny fahefa-mividin’ireo mpifindra-monina any amin’ny firenena mandroso ireo, vokatry ny krizy ara-toekarena any Eoropa sy Amerika Avaratra. Tsara ny sandan’ny dolara miainga avy any Rosia, alefa any Azia afovoany. Nihena kosa anefa ny sandan’ny euro mihoatra amin’ny dolara alefa any Afrika Avaratra sy ny firenen-kafa.
Nilaza ny tale iraisam-pirenena amin’ny fiarovana sosialy ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, Michal Rutkowski, fa mamaha ny olan’ ny tsenan’ny asa any amin’ny firenena mandroso ireo vahiny miasa any aminy, sady manampy ny fianakaviany sy ny havany ny vola alefany any amin’ny firenena niaviany. «Tsara tohizana ny endrika toy izao maneran-tany», hoy ihany izy.
Njaka Andriantefiarinesy