Nolanian’ny Antenimierampirenena farany teo ny fanovana nentin’ny Antenimierandoholona, fanovana tsy nasiam-panitsiana mikasika indrindra ny trosan’ny Jirama. «Tsy miditra lalina loatra amin’izay ny fanjakana satria ny fitantanam-bola ao amin’ ny Jirama misaraka tanteraka amin’ny fanjakana foibe. Saingy tsy afaka jerena fotsiny ny olan’ny Jirama dia tonga ihany ny fanjakana manampy», hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Mitentina 637 miliara Ar ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana homena ny Jirama, araka ny voasoratra ao anatin’ny tetibola LFI 2023. «Izany fanampiana na subvention izany anefa dia tsy volam-panjakana manontolo fa misy tolo-kevitra ifampiraharahana amin’ireo mpamatsy solika ny Jirama», hoy ihany ny minisitra. Tsiahivina fa nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny vola fa «mananika ny 800 miliara Ar, ny volana jolay lasa teo, ny trosan’ireo mpamatsy solika ny Jirama».
Efa nisy fotoana mitovitovy amin’ny tetibolan’ny minisitera, 1031 miliara Ar, ny trosa tsy voaloan’ny Jirama, lasa vesatra lehibe ho an’ny fanjakana amin’ny maha orinasam-panjakana azy izany no lesoka goavana ho an’ny toekarem-pirenena. Fantatra hatramin’ny ela ny fatiantoka ao amin’ny Jirama. Hita hatrany izay fatiantoka izay tao anatin’ny 10 taona.
Nametraka fepetra vaovao momba ny vidin’ny angovo amin’ireo mpamongady indostrialy ny Banky iraisam-pirenena. Na manampy aza ny fanjakana, misy trosa tsy voaloany koa amin’ny Jirama, manodidina ny 350 miliara Ar, ka amin’izany misy vola tsy voaloan’ny sampandraharaham-panjakana sy halatra ataon’ny sasany, hoy ny ao amin’ny Jirama.
Ndrina