Taolagnaro : voatery manapaka jiro ny QMM

Nilaza tamin’ny Jirama sy ireo mpiara-miasa aminy ny QMM fa tsy afa-mihoatra (force majeur) amin’ny sehon-javatra sasany any Taolagnaro misakana azy tsy hamita ny fifanarahana. Izany dia noho ny sakana atao tsy ahazoan’ny QMM manao ny asany am-pilaminana nanomboka tamin’ny 1 desambra. Hatramin’ny nisian’io sakana io, mirongatra ny halatra isan-karazany sy fanakorontanana any amin’ny toeram-pitrandrahana any Mandena, ary mahazo fandrahonana hatramin’ny mpiasa. Etsy andaniny anefa mandeha ny fifampiraharahana amin’ireo mitaky onitra amin’ny tany.
Izany sakan-dalana izany tsy afahana manova mpiasa ka miteraka havizanana. Voatery ny QMM mametra ora hamokarana angovo mba hahafahan’ny mpiasa maka aina. Nanomboka omaly 14 desambra izany delestazy izany, maharitra adiny valo (12 ora antoandro – 8 ora alina).
Na eo aza izay delestazy izay, hiantohan’ny QMM ny mampandeha ny lafiny fitsaboana ka nanomezany milina fanampiny fiandry mpamatsy herinaratra ny CSB2 ao Am­pasikibo sy solika mamatsy ny milina CRHH Philibert Tsi­ra­nana ao Amboanato.
«Laharam-pahamehana voalohany ho anay ny ain’ny olona. Tsapanay ny fiantraikan’ny fihatoan’ny asa amin’ ny mpiara-miombon’antoka aminay. Nanaja ny fifanarahana tanteraka izahay mba tsy hahatapaka ny herinaratra ho tombontsoan’ny mponina sy ny tanànan’i Taolagnaro, sa­in­gy noho ny zava-misy voatery izahay mampisy delestazy. Miara-miasa amin’ny fanjakana foibe sy ny faritra izahay mba hitadiavana vahaolana maharitra ao anatin’ny filaminana tanteraka», hoy David-Alexandre Tremblay, tale jeneralin’ny QMM.

Ndrina

Partager sur: