Jirama : mpitantana anjatony vaovao notendrena

Nanova rafitra ny orinasa Jirama, taorian’ny tombana nataon’ny minisiteran’ny An­go­vo sy ny akoranafo, tamin’ ireo tale maherin’ny 40, ny faran’ny volana novambra teo. Namoaka lisitra tompon’andraikitra ambony vaovao, manodidina ny 100 ny filankevi-pitantanana, ny talata 13 desambra teo. Mandimby ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny raharaha eny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ihany koa izy ireo.
Milaza ny ao amin’ny filankevi-pitantanana fa natao ity fanavaozan-drafitra ity, entina hanatsarana ny fomba fitantanana, ny fanaraha-maso, ny ady amin’ny vokatra very (jiro na rano), ny halatra samihafa ao amin’ny orinasa. Tanjona ny hiarenan’ny fifandanjan’ny fandaniana sy ny vokatra vita amin’ny lafiny isan-tsokajiny.

Miala sasatra, karohina ?
Ankoatra izany, araka ny loharanom-baovao ihany, mbo­la ao anatin’ny fotoana fialan-tsasatra taorian’ny aretina, ny tale jeneraly Ra­da­ni­e­lina Rivo, izay tokony ho tapitra tamin’ny 9 desambra teo. Nangataka fanalavana izany hatramin’ny faran’ny volana janoary 2023 anefa izy. Voalaza fa mbola hataon’ny minisitera mpiahy tombana koa ny zava-bitany, toa ireo tale teo ambany fahefany.
Etsy andaniny anefa, isan’ireo olona telo, karohin’ny fitsarana Pac, ity tale ity, miaraka amin’ny tale jeneraly teo aloha, Andriamanga Vonjy sy ny talen’ny kabinetrany, ta­min’izany fotoana izany.

Njaka A.

Partager sur: