Anosipatrana : tratra ireo mpamatsy basy mpaka an-keriny

Noraisim-potsiny! Ravan’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra (BC 4) ireo tambajotra mpamatsy fitaovam-piadiana mpaka an-keriny any Anjozorobe. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisin’ny BC 4, teny Anosipatrana sy Fianarantsoa, no nahasamborana azy ireo, ny 12 mey 2024 teo. Fantatra tamin’izany fa basy sy bala no tena vatsi­an’izy ireo amin’ireo mpaka an-keriny. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao no nahafahan’ny polisy nisambotra ireo mpamatsy balana Kalachnikov sy Mas 36. Hita tao an-trano, nandritra ny fisavan’ny polisy, ny basy PA roa. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany fa jiolahy efa mpamerin-keloka ny iray amin’izy ireo ary vao nivoaka ny fonja vao haingana noho ny resaka famatsiana basy ihany. Fantatra ihany koa fa mpitandro filaminana ny roa amin’ireo olon-dratsy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny 17 mey teo izy ireo taorian’ny famotorana nataon’ny polisy ka naiditra vonjimaika am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo jiolahy telo, raha nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny vehivavy niray tsikombakomba tamin’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: