Kamiao tra-doza teny Imerintsiatosika : olona efatra maty nilatsaka tao ambany tetezana

Nitrangana lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1, PK 23) teo amin’ny tetezana Ka­tsa­o­ka Imerintsiatosika, ny 17 mey 2024 alina. Kamiaobe an’ny orinasa tsy miankina iray no niharan-doza tampoka teo am-pidirana ny tetezan’i Katsaoka. Tratran’ny tsy fahatomombanana tampoka teo amin’ny familiana ity kamiaobe ity ary tsy voafehin’ny mpamily intsony ka namantana nitsoraka tany amin’ny tetezana. Vokany, mpiasa efatra ao amin’ ilay orinasa tsy miankina iray no indray namoy ny ainy. Roa hafa kosa naratra mafy nipitika ivelan’ny fiara nandritra ny fidonan’ny fiara teo amin’ny arofanin’ny tetezana. Nalefa niakatra namonjy ny hopitaly HJRA Ampefiloha ireo naratra. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Arivonimamo, niaraka tamin’ny mpamonjy voina ary ny orinasa Jirama Imerintsiatosika nanao ny fomba rehetra nampiakarana ilay kamiaobe sy namoaka ireo niharam-boina tao anaty kamiaobe. Marihina fa nilentika tao anaty rano ny vatan’ity fiarabe ity. Voatery nanokatra ny hidy manakana ny tohodrano ireo tomponandraikitra nanao ny famonjena mba hahafahana namonjy ireo tra-doza. Tafavoaka ihany ilay fiarabe sy ireo olona, saingy tsy nisy avotra intsony izy ireo. Efa nomena ny fianakavian’ ireo niharam-boina ny razana. Mitohy ny fanadihadiana ata­on’ny zandary. Tsy misy afa-tsy ny fahamailoana ihany fa tampoka ny fiavian’ny loza toy izao.

J.C

Partager sur: