Nezahin’ny mpitsabo navotana, lehilahy iray namoy ny ainy tao Mananjary, afakomaly. Nifatotra tamin’ny tady ny tendany.
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 41 taona tao amin’ny fokontany Ambatolambo, kaominina Mananjary, afakomaly. Nihantona tamin’ny tady tao amin’ny trano fonenany izy ny marain’io alahady 19 mey io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso. Nisy aina rahateo izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitsabo teo an-toerana, araka ny loharanom-baovao. Nifatotra mafy tamin’ny tendany anefa izy. Nananosarotra ny fanavotan’ny fianakaviana azy. Nentina namonjy ny hopitaly tao an-toerana izy. Nanao izay ho afany tamin’ny fihazonana ny ainy ny mpitsabo saingy tapitra fotoana fohy taorian’ny fahatongavany ny toeram-pitsaboana izany.
Manjavozavo hatreto ny antony nahafaty io raim-pianakaviana manan-janaka mianadahy io. Ahina ho namono tena izy raha ny fahitan’ny manodidina ny vatany izay nifatotra tamin’ny tady. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ao Mananjary. Andrasana ny tohin’ ny raharaha.
Tsiferana R.