Ahiana ho nandoaka alina ny fiakaran’ireo voarohirohy amin’ny fanondranana an-tsokosoko ilay volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo. Maromaro ireo niakatra fampanoavana, omaly, tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), 67ha hatramin’ny ora nanoratana
Nihetsika ny raharaha, herintaona aty aoriana. Anisan’ny nohadihadiana tamin’izany ireo mpiasan’ilay kaompania STA sy ny mpiasan’ny ACM. Notsiahivin’ny mpisolovava, ny Me Raoelina Christian niaro ny tale jeneralin’ny ACM (DG) fa efa nahazo fahafahana vonjimaika ny olona arovany. Nohitsiny fa tsy niasa ary niala sasatra ilay DG tamin’ny nisehoan’io, tranga io. Tsy teto Antananarivo sady tsy tany Toliary koa. “Tsy hitanay ny maha voarohirohy azy amin’izao raharaha izao”, hoy izy. Notsiahiviny anefa fa voarindra mialoha avokoa rehefa handeha sidina tahaka izany. Mila fahazoan-dalana sy ny fanamarinana hatreny amin’ny Asecna. Ny mpamonjy voina miatrana ary ny mpanamory tsy maintsy manamarina ny fahazoan dalana. Ny mpandeha koa maneho ny fahazoan dalana… Notantarainy fa tsy mahalalan izany entana, misy volamena izany ireo mpanamory ilay fiaramanidina manokana “Jet privé”. Tsy nanao fanambarana momba ny entana koa ireo telohahy, voasaringotra ary Tanana am-ponja any Afrika Atsimo, nanofa ny fiaramanidina, araka ny fitantaran’ny mpisolovava hatrany. “Efa natao koa ny fisavana fa tsy nahitana izany”, hoy izy. Nambarany aza fa mety efa tany Afrika Atsimo izany entana izany ary nifanaovana fotoana.
Tsiahivina fa nitranga ny 31 desambra 2020 ny raharaha. Niala teny Ivato nihazo an’i Toliary ilay “Jet” ary nisidina any Afrika Atsimo avy eo. Sarona tany an-toerana ireo telolahy miaraka amin’ilay volamena 73,5 kg ary mbola voatana avokoa ny entana sy ireo Malagasy ireo.
Efa nahazo fahafahana vonjimaika.
Miisa 25 ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity ka any am-ponja vonjimaika ny 18. Ilay tompon’ny fiaramanidina kosa mbola ifampitadiavana sy karohina hatramin’izao.
Andrasana hatramin’ity anio ity ny ho tohin’ny raharaha.
Synèse R.