Kongresi-paritra tany Ihorombe: nomena toromarika hiomana ny mpikambana MMM

Mazava sy hentitra ny toromarika. «Hatomboka ato amintsika ato anatiny aloha ny fomba fiasa sy fisainana tokony hatao raha hitondra firenena isika. Hitantsika ny tranga miseho tato ho ato ireny… Ilaina ny fifampitaizana anatiny mba tsy hisavoritaka rehefa any ivelany…», hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, oma­ly. Niatrika ny famaranana ny kongresi-paritra tany Ihorom­be ny tenany. Nanteriny fa tsy vita mora ny manangana sy mitantana ary manarina firenena. Ilana fiomanana sy fandaminana izany ary koa ny fahaizana mandrindra mba hampizotra tsara izany, araka ny nambarany. «Miainga avy amin’ny mpikambana tsirairay ny fanamafisina ny tanjaky ny antoko. Manaparitaka izany avy eo. Mitaky fandraisana andraikitra koa anefa ny fomba fanaovana politika », hoy ihany izy.
Nahatonga solontena ta­min’izany avokoa ireo kaominina eo anivon’ny faritra Ihorombe. Narahana dinidinika sy adihevitra izany. Teo koa ny fanavaozana ny bi­raom-paritry ny MMM any an-toerana. Voafidy hitantana izany Rakotoarimavo Louis Joseph.
Tsiahivina fa nahavita fikaonandoha avokoa izany izao ny faritra 23 manerana ny Nosy ka hiroso tsy ho ela amin’ny kongresy nasionaly izy ireo. Haka fanapahan-kevitra hiatrehana ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena ary koa ny ho avin’ny antoko amin’ny ankapobeny.

Synèse R.

Partager sur: