Nanodinina ny 256 ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny hopitaly HJRA, nandritra ny roa andro fankalazana ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. 50 tamin’izy ireo tsy maintsy nahiditra hopitaly. Dimy kosa ireo olona maty nandritra izany, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. « Nahitana tranga betsaka noraisin’ny teo anivon’ny hopitaly ity fety ity raha oharina tamin’ireo fankalazana hafa isan-taona. Vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola no tena anton’ny nahatonga ny loza ary tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo », hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny HJRA, Manoella Ardina.
Manodidina ny 72 ny tranga vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an’ny andron’ny alatsinain’ny Pantekoty. Raha toa ka 33 izany ho an’ny andron’ny alahady. Tratran’ny aretina vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny lehilahy roa sy vehivavy iray tamin’izy ireo. Lehilahy iray sy vehivavy telo ary zaza efatra, tratran’ny aretim-pivalanana vokatry ny fanapoizinana na tsy fahazakana sakafo. Nahatratra 66 kosa ireo olona nisy namono.
Mino