Manao ny ataony koa ! Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fisian’ireo andiam-behivavy mpanao herisetra sy mpanataka poketran’olona mpiantsena ao Bazarikely hatrany tsenam-borondolo Ambolomadinika Toamasina. Dimy vavy izy ireo no indray saron’ny polisy, ny zoma lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny lehiben’ny kaomisaria Foibe Toamasina, ny Kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. Niainga avy amina fitoriana raim-pianakaviana iray very vola 40 000Ar tao anaty kitapony ny talata 14 mey maraina teo no nahafahan’ny polisy nanao ny fanarahan-dia. Notatahan’ireo andiam-behivavy ireo tamin’ny lame ny sakaosiny raha izy niantsena tao Bazarikely. Nilaza izy fa renim-pianakaviana dimy no hitany tsy niala tao aoriany. Misy amin’izy ireo no mody mifampikasoka aminy. Nampandre ny polisy avy hatrany izy ka nanomboka teo ny fanaraha-maso ireto vehivavy mpanendaka ireto tao an-tsena. Voasambotry ny polisy ny iray tamin’izy dimy vavy ka natolotra ny polisin’ny Sut. Niainga avy amin’ny fanadihadiana ity vehivavy tratra ity no nahafahana nisambotra ireo namany. Misy toerana fipetrahan’izy ireo sady fanomanana ny asa ratsy rehetra. Voamarina tokoa izany ka noraisim-potsiny ireto jiovavy ireto. Ravim-bola 20 000 Ar efa misy rovitra nodidiana tamin’ny lame, finday, karatra banky hatramina tapakilana taksiborosy an’olona avy aty Antananarivo aza voaroban’izy ireo.
Sajo/J.C