Taorian’ny nahasamboran’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza an’i Lavakely (jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy vaky trano) tao Dakara fokontany Ikianja Ambohimangakely, ny 15 mey 2024 lasa teo, noraisin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny sy ny tobim-paritra Ambohimangakely indray ny fanohizana ny fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany fa isan’ny nanafika olona miasa amina tambajotram-pifandraisana iray izy. Vola 12 tapitrisa Ar niaraka tamina finday 30 isa, JBL mitentina 3 tapitrisa Ar, firavaka volamena ary fahitalavitra no lasany tamin’izany. Nomarihin’ny zandary fa mivondrona ao anatin’ny bande de 6 ka «Wrong Turn» ny anaran’ity fikambanan-jiolahy misy azy ity. Kaisara (gadra nahavita sazy teny Tsiafahy), Six (gadra nivoaka ny fonjan’Antanimora), Kri na Rasta, Vazaha na Ramaitre, Rija Mainty ireo jiolahy ao anatin’ny Wrong Turn. Voasambotry ny zandary Ramaitre (naman’i Lama nalaza tamin’ny fakana an-keriny) sy ny namany, ny 18 mey 2024 alina. Efa nikasa hitsoaka ny violon nitazonana azy izy telo lahy tratra ireto saingy tsy nahomby anefa izany. Nilaza tamin’ny zandary anefa Ramaitre sy ireo namany fa hanoro ny toerana misy ireo namany mbola tsy voasambotra. Teny an-dalana nandalo ny alan’i Manankasina Ambohibary no nisy nitifitra tampoka ireo zandary. Nanararaotra nitsoaka koa izy telo lahy ka maty voatifitry ny zandary. Mitohy ny fikarohana ireo namany.
J.C