Marais Masay : raim-pianakaviana hita faty

Natsingevan’ny farihin’ny Masay ny fatin’ny raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona, omaly. Olona iray sendra nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anatin’ny rano. Niezaka nitazan-davitra izy kinanjo fatin’olona efa natopatopan’ny rano io hitany io. Nampandre ny mponina manodidina avy hatrany io mpandalo io. Niezaka nisintona io fatin’olona io hivoaka tety an-tanety izy ireo. Vokany, efa namoy ny ainy tsy nisy azo natao intsony io olona nitsingevan’ny rano io. Niezaka namantatra azy ny mponina nanatri-maso. Tsy nisy nahalala ny mombamomba azy tamin’io fotoana io. Nalain’ny tomponandraikitry ny BMH ny razana taorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: