Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby, lavon’ny balan’ ny mpitandro filaminana tao Amparihibe, kaominina Marotandrano, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Nahita omby iray tsy fanta-piaviana hitan’ny fokonolona tao amin’io tanàna io. Nifatotra soa aman-tsara anaty saha anefa io omby io. Nandrasan’ny mpitandro filaminana, araka izany, izay olona haka azy. Tsy nisy nanatona mihitsy ilay omby nandritra ny atoandro. Tampoka, olon-tsy fantatra tonga nitsaitsaika nikasa haka io omby io, ny alin’ ny alarobia 22 mey teo. Nikoropaka nandositra anefa ilay lehilahy saika haka ny omby. Nampitandrina ity farany tsy hitsoaka ny zandary. Tetsy ankilany, nitora-bato sady nanao tongotra an-katoka nanohy ny diany io dahalo io. Vokany, lavon’ny bala nandritra ny fifandonana tao anaty haizina ilay olon-dratsy. Voamarin’ny mpitandro filaminana fa tsy olona avy ao amin’ilay tanàna ity maty voatifitra ity. Naiditra am-balam-pamonjana ilay omby. Mitohy ny fikarohana ireo izay mety ho namany.
Tsiferana R.