Mahafaty olona betsaka : mampiakatra tosidra ny adin-tsaina sy fomba fiaina tsy milamina

Mirongatra ary ma­hafaty olona maro ny fiakaran’ny tosidra maneran-tany. Ahitana izany ny eto Ma­dagasikara. 40%-n’ny olona mahazo taona no voan’ny tosidra miakatra, raha ny tarehimarika navoakan’ny antontan’isa momba ny fahasalamana avy amin’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka tamin’ny tao­na 2021.

Maro ny antony tena mahatonga ny fiakaran’ny tosidra eo amin’ny olona iray. Anisan’izany, ny tebiteby sy ny rarintsaina diso tafahoatra eo amin’ny tsirairay. Amin’ny ankapobeny, mihoatra ny 40 taona ny olona iray vao tokony ho voan’ny ity aretina tosidra miakatra ity. 20 taona kosa izany dia efa tratran’ny aretina ankehitriny, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Maro ny antony mahatonga ny aretina eo amin’ny olona iray. Eo ny vokatry ny fomba fiaina tsy milamina eo amin’ny tsirairay. Eo ihany koa ny aretina azo avy amin’ny tarazo teo amin’ny fianakaviana. Antony hafa mahatonga ny tosidra miakatra ihany koa ny tsy fahampian-torimaso. Eo koa ny tsy fahaizana misakafo ara-pahasalamana toy ny fihinana sira betsaka loatra. Manampy izany koa ny fahatavezana, ny tsy fanaovana fanatanjahantena. Amin’ny ankapobeny, tokony hanao dia an-tongotra 30 minitra isan’andro ny olona iray fara fahakeliny. Manampy izany ihany koa, ny tsy fisotroana na tsy fahampian-drano eo amin’ny vatan’ny olona anankiray.
Anisan’ny fambaran’ny tosidra ety ivelany ny olona marary an-doha lava, marary ny hatoka. Mety ho jambena na manjavona rehefa mijery. Volivoly ny rantsan-tanana ary mety tsy handre tampoka ihany koa ny sofina… Entanina hanatona mpitsabo avy hatrany ny olona iray raha vao mitranga ny iray amin’ireo aretina ireo. Miteraka voka-dratsy eo amin’ny vatan’ny olona iray ny tsy fitsaboana ny tosidra miakatra. Mety hamela takaitra goavana eo amin’ny vatana izany toy ny ratsam-batana tsy afa-mihetsika. Mahatonga ny fo tsy hiasa tsara ihany koa. Mampihena ny fahitana ary miafara any amin’ny fahajambana tanteraka izany. Mahatonga ny lalandra tsentsina na ho tapaka mihitsy aza, izay mihafara amin’ny fahafatesana tampoka mihitsy.
Ara-dalàna ny latsaky ny 14,5 /9 sy mihoatra ny 10/7

Amin’ny lafiny fitsaboana, tsindry mahazo ny ra manerana ny vatan’ny olona iray ny azo hamaritana ny tosidra. Amin’ny alalan’ny fitaovana fitsapana “tensiomètres” ny fitsapana ny tosidra eo amin’ny vatan’ny olona iray.

Ara-dalàna ny tosidra raha latsaky ny 14,5/9 na 145/90 mmHg. Raha mihoatra ny 10/7 na 100 mmHg / 7mmHg ihany koa izany. Misy kosa ireo karazan’olona tsy mahazaka ny tosidra raha eo amin’ny mari-drefy 14,9 izany. Mitarika any amin’ny fahavakisan’ny lalandra mihitsy raha sanatria ka tsy voatsabo haingana. Mahatonga fahafatesana eo amin’ilay olona ihany koa. “Ilaina ny fifehezana ny tosidra tsy hivoatra ny 12,7, hoy hatrany ny mpitsabo. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny tosidra ambany kosa raha toa ka ambanin’ny 10. Mety ho toe-batana fa mety ho fambarana aretina ihany koa ny tosidra ambany eo amin’ny olona iray. Misy antony ny mahatonga ny tosidra ambany. Eo ny fihitaran’ny lalandra madinika, fikorontanana eo amin’ny fo, fahaverezan-drano be loatra, tsy ampy rano, fahaverezan-dra, aretin’ny voa, rarintsaina, havizanana, mety ho tsy fahazakana fanafody sasany ihany koa.

Mila mitsapa tosidra matetika

Afaka sorohina tsara ny fiakaran’ny tosidra amin’ny alalan’ny fananana “tensiomètres”. “Miankina amin’ny fahafantarana izany no ahafahana misoroka ny aretina. Tokony hitsapa tosidra matetika ny olona iray satria raha mitsapa izy androany, mety tsy hiakatra izany rahampitso”, hoy ny Dr Jaozandry eo anivon’ny fikambanana Maeva. Tanjona ny hahatonga ny Malagasy ho ela velona sy tsy ho faty tanora.
Ankoatra izay, ny fiakaran’ny tosidra tampoka no mahatonga ny fahafatesana eo amin’ny olona iray. Ilaina, araka izany, ny mihinana sakafo ara-pahasalamana. Toy ny fihinanana legioma, voankazo isan’andro. Ny fisotroana rano manodidina ny 1 litatra sasany isan’andro. Tsara ny fahaizan’ny tsirairay manena ny rarintsaina sy ny fahampiana torimaso eo amin’ny olona iray. Eo ihany koa ny mifady ny zava-pisotro misy alikaola sy ny zava-mahadomelina.
Azo sitranina tsara ny tosidra miakatra raha manaraka toromarika ny marary iray, hoy hatrany ny mpitsabo. “Efa ela aho no tratry ny aretin’ny tosidra. Niseho tamin’ny fisian’ny maso mandrodroa ary toa mizara izany rehefa mijery. Anisan’ny nanampy ahy fa miakatra tosidra aho. Mpahazo ahy matetika io trangan’aretina io ka nahatonga ahy nanatona mpitsabo”, hoy i Gilbert, raim-pianakaviana voan’ny fiakaran’ny tosidra. Nambarany fa anisan’ny nahatonga ny tosidra ho ara-dalàna ny fanaovana fanatanjahantena sy ny fanarahana ny torimariky ny mpitsabo. Amin’ny ankapobeny, efa aretina manaraka ihany koa ny tosidra satria efa nisy fianakaviana tratran’izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: