Nanendaka vehivavy… : jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy namelan’ny vahoaka raha tsy maty ilay jiolahy nanendaka vehivavy iray tao Andranomadio Toamasina, ny alin’ny zoma teo. Niantso vonjy ilay niharan’ny fanendahana ka nifanenjehan’ny olona ity jiolahy ity…

Mahazo vahana indray ny fitsaram-bahoaka ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana noho ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana. Jiolahy iray 45 taona no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Andranomadio Toamasina ny alin’ny zoma teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Nifanenjehan’ny fokonolona izy noho ny antsoantso nataona renim-pianakaviana tara fodiana ka niharan’ny asa ratsiny. Raha ny angom-baovao, nambanan’ilay jiolahy antsy ilay ramatoa sady norahonany hanome ny finday sy ny poketrany. No­tarihiny nanatona kirihitr’ala izy nandritra io fotoana nanendahany azy io. Nisy nahatsikaritra anefa izy ka niandry fotsiny izay mety ho trangan-javatra miseho ireo olona ireo. Vokany, raha vao niantso vonjy ilay ramatoa, nitsoaka avy hatrany ilay olon-dratsy. Nivoaka nanenjika ireo solontenam-pokonolona efa naha­tsikaritra ny fisian’ity fanendahana ity.
Jiolahy tsy misy mpitory…
Raikitra teo ny fifanjevoana satria samy nanala ny hatezerany tamin’ilay jiolahy avokoa ny rehetra tamin’ny fotoana nahasamborana azy. Nifan­dimby ny vono sy daroka ka tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy. Tonga teny an-toerana ny polisy saingy efa tsy avotra intsony ny ain’ilay jiolahy. Naterin’ny polisy eny amin’ny tranom-patin’ny Ho­pitalibe Toamasina kosa ny fatiny miandry ny fianakaviany haka azy. Amin’ny ankapobeny, mirongatra indray ny fitsaram-bahoaka ao Toamasina. Tranga dimy no efa niseho tao an-toerana hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024. «Matetika izy ireny, jiolahy tsy misy mpitory ka vetivety dia mivoaka ny fonja ka rehefa mivoaka dia mandrahona ny fiarahamonina satria tsy mijanona ela ao am-ponja. Manohy ny asa ratsiny indray ry zalahy aorian’izay», hoy ny fanazavana voaray.

Sajo/J.C

Partager sur: