Nosamborin’ny zandarimaria ny roa lahy nahatrarana rongony mahery vaika, «méthamphétamine», tao Ambohimiandrisoa, Antsirabe, ny 25 mey teo. Tsy tapaka mpividy, nanaitra ny manodidina ny fihetsiky ny lehilahy iray. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo fa mivarotra karazan-java-mahadomelina mahery vaika anisan’ny manimba tanora eo amin’ny tanàna ilay tovolahy. Nisava ny trano fonenan’io olona ahiahiana io ny zandary. Vokany, noraisim-potsiny teo am-pikirakirana méthamphétamine io lehilahy malaza ho mpivarotra io sy ny mpividy iray. Nilanja 1 grama ny zava-mahadomelina tratra tao amin’izy ireo. «Mitetina ana hetsiny ny vidin’ny 1 grama amin’io karazan-drongony mahery vaika io”, hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Nogiazana avokoa ny fitaovana fampiasan’ilay mpivarotra, toy ny fitaovam-pitsindromana, vatoafo sy ny fingotra. Notanana atao famotorana ireo roa lahy.
Tsiferana R.