Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray tratra nanendaka tao anaty taxi-be. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely no nahasambotra azy teny Ambohijatovo, ny herinandro teo, noho izy voarohirohy ho nanendaka tao anaty taxi-be. Ny 22 mey 2024 maraina, nisy renim-pianakaviana niaraka tamin’ny fianakaviany nandeha taxi-be zotra 161. Rehefa nijanona teo Ampandrana ilay zotra, nisy lehilahy iray niakatra ka nipetraka teo akaikin’ilay renim-pianakaviana. Nony nandeha anefa ilay fiara, nilaza ilay lehilahy fa hiala eo Ankorahotra, ilay zotra anefa tsy mandalo eny amin’io toerana nolazainy io ka nidina teo Antsahabe amin’ny fiantsonana La Mascotte izy. Taorian’ny fialany, nahatsikaritra ilay ramatoa nipetraka teo akaikiny fa tsy tao anaty poketrany intsony ny findainy. Nony tonga teo Ambohijatovo anefa izy, hatairana ny an’ilay renim-pianakaviana nahita ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny nidina tamin’ny taxi-be zotra 178 indray. Niantso ny polisy miasa ao amin’ny CSP1 Analakely ilay vehivavy niharan’ny fanendahana. Niroso tamin’ny fisamborana ity jiolahy ity ny polisy. Mbola hita tany aminy, nandritra ny fisavana, ilay finday very tao anaty zotra 161. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy ka izao naiditra am-ponja izao.
J.C