Tolotra tsy ara-dalàna : sarona ireo mpivarotra « décodeur » piraty

Voasokajy ho isan’ny piraty ireo « décodeur » mahazo ny fahitalavitra rehetra, izay nahazo vahana tato ho ato. Ma­romaro ireo mpivarotra « dé­codeur » miaraka amin’ny « abonnement » mahazo ny fahitalavitra rehetra no nosamborin’ny avy ao amin’ny Bri­gade Anti-Piratage na ny BAP. Efa vita famotorana ka natolotra ny fampanoavana ireo, ka naiditra vonjimaika am-ponja taorian’izay.
Nahazo vahana be ity fivarotana « décodeur » hosoka ity, indrindra nialohan’ny nanombohan’ny « Mondial » sy amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Tsy ara-dalàna anefa, ka maha voasazy ny mivarotra sy manjifa izany satria voasokajy ho isan’ny piraty izy ireo. Nitondra fanazavana ry zareo eo anivon’ny BAP, fa fanitsakitsahana ny fananana ara-tsaina, manohintohina ny fandriampahalemana (mety ho fitaovana hampielezan-kevitra mihafatra fampihorohoroana, manohintohina ny kolontsaina (afaka mandefa horonantsary mamoafady amin’ny ora rehetra), manimba ny toekarena satria mandrisika ny fifaninanana tsy ara-drariny.
Teknolojia vaovao, tafiditra efa fotoana elaela teto Mada­gasikara ireto « décodeur » afaka manao piraty ireto. Mana­hoana kosa ny mikasika ny fampidirana sy ny fanafarana azy izany ? Tsy tokony nisy fandraràna koa ve avy amin’ny fadin-tseranana ? Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao…

Zo ny Aina

Partager sur: