Nanao tifi-danitra ny zandary : olona roa maty nipitihan’ny bala

Maty tsy tra-drano ny olona mianadahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambi­na­nindrano Mahanoro, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nisy alim-pandihizana nokarakarain’ olona iray tao an-toerana. Nanao fampisehoana ankalamanjana ny mpanakanto iray tamin’io fotoana io raha alim-pandihizana jiromena kosa ny alin’io. Olon-tsotra no nikarakara izany. Teo no nitranga ny olana noho ny tsy fahafaham-pon’ny mpanjifa, satria hoe ambany loatra ny fanamafisam-peo. Nangataka ny olona tao amin’io alim-pandihizana io mba hatao maimaimpoana ny fidirana. Ny tao anatiny te hivoaka, ny eny ivelany te hiditra. Raikitra teo ny fifanose­hana nataon’ireo olona teny ivelany ka nitarika ny faha­tezerana tamin’ireo olona sasany. Raikitra ny fifanje­voana tamin’ny alalan’ny tora-bato ny tranom-pokonolona. Maro ireo naratra tao anatin’ ny fifanjevoana. Niezaka nampitony izany ny zandary saingy tratran’ny tora-bato ihany koa. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’Ambinanindrano, Imbinina André, niraradraraka ny tora-bato nataon’ireo olona ireo niantomboka tamin’ny 10 ora alina hatramin’ny 11 ora alina. Nanome baiko ny zandary ny depiote voafidy tao an-toerana mba hanaovana tifi-danitra hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Teo indrindra anefa no nitranga ny tsy nampoizina satria niantefa tamin’ny andrin-jiro ny bala ka niverina ary nahavoa ireo mianadahy tsy lavitra io andrin-jiro io. Vokany, naratra mafy ireo niantefan’ny bala ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Tsy avotra intsony anefa ny ain’izy ireo noho ny tsy fahatomomba­nana tao amin’ity toeram-pitsa­boana ity.

Sajo

Partager sur: