Nahazo sazy asa an-terivozona 5 taona any am-ponja i Totozara Ernest, namono tovovavy tamin’ny vy maranitra. Tsy mahazo mankany Toamasina intsony rehefa tafavoaka ny fonja.
Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha nahafaty an’i Fanahia, mpianatra lalàna tao amin’ny Oniverisiten’i Barikadimy-Toamasina. Voarohirohy namono nahafaty azy i Totozara Erneste na I “Fer Rond”, mpianatra filozofia ao ihany. Tsiahivina fa nisy namono tao amin’ny faritry ny Oniveristen’i Barikadimy ity tovovavy ity, ny 9 febroary tamin’ny 7 ora hariva. Nisy nilaza fa misy mpangalatra bisikileta tao ka nifanenjehan’ny olona. Anisan’ ny voaenjika tamin’izany i Fanahia. Sendra nandalo teo amin’io faritra voalaza io ity tovovavy ity ka izy indray no nifanenjehan’ny olona izay nitarika ny fahafatesany, hoy ny mpiara-mianatra taminy. Voarohirohy tamin’ny famonoana i Totozara Ernest ka nandositra tany Befandriana Avaratra. Nataon’ny zandary ny fikarohana azy ka voasambotra tany an-toerana izy ny 13 febroary.
Nandritra ny fitsarana, voampanga namono nahafaty io tovovavy io tamin’ny vy maranitra i Totozara Ernest. Niaiky ity lehilahy ity fa nikapoka azy io tamin’ny vy maranitra fa nandà namono nahafaty azy io kosa. “Tsy nahafaty azy akory ny kapoka tamin’ny vy nataoko ary mbola tsy maty izy dia efa niala teo aho,” hoy ny fiarovan-tenany. Nohamafisiny hatrany fa maro ireo olona namono ity tovovavy ity ka nitarika ny fahafatesany. Tsy fiarovan-tena ny filazana fa fitsaram-bahoaka no nahazo ity tovovavy maty ity, hoy ny mpitsara.
Nahazo sazy fananarana
Nilatsaka ny sazy taorian’ny fisintahan’ireo mpitsara mpamoaka didy sy ny tonian’ny
fampanoavana ambony fa sazy fananarana no azon’ity voampanga ity. Antony, ny maha mbola mpianatra sy maha tanora azy. Novaina “vono olona tsy nahy vokatry ny sitra-po” ny vesatra nanenjehana azy. Vokany, voaheloka higadra asa anterivozona 5 taona sy mandoa onitra 20 tapitrisa Ariary izy. Marihina fa tsy mahazo makany Toamasina intsony i Totozara Erneste rehefa mivoaka ny fonja.
Sajo/ Mino
(Mpianatra Asa)