Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha momba ilay mpisoloky milaza fa mahavita mikarakara taratasy momba ny tany. Voasambotry ny polisy ny talata atoandro teo tokoa ity rangahy 60 taona ity ka nanaovana fanadihadiana.
Nifankahalala tamina olona miisa roa ny tenany ny taona 2019. Nilaza izy tamin’izay fa mahavita mikarakara taratasy momban’ny tany. Tafiditra amin’izany ny fanaovana “mutation”. Araka izany, resy lahatra sy nahatoky azy ireo nihaona taminy ka nanome azy ny antotan-taratasy rehetra. Ny 02 novambra teo, niantso ireo tompona tany ity mpisoloky ka nanao ny teti-dratsiny. Nitondra sy nampiseho taratasy voalaza tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ireo nihaona taminy izy tamin’izay. Voalaza tao fa tsy maintsy mandoa vola “droit main levé” mitentina 450.000Ar ny tompon-tany. Atao izany mba hahafahana manohy sy mikarakara ny antotan-taratasy maro samihafa. Nambarany fa efa foana ilay tetikasa ka haloa mivantana ilay mari-bola voalaza etsy ambony. Araka izany, nanantona ny “service regional d’aménagement du territoire” Analamanga ireo tompon-tany mba hanamarinany ilay filazana. Hita tamin’izay fa hosoka avokoa ireo taratasy sy Sonia ary fitomboka nampiasaina. Nambaran’ireo tompon’andraikitra rahateo fa tsy andoavam-bola ny fanaovana ireo antotan-taratasy rehetra ao amin’ity birao ity. Taorian’io, nitory avy hatrany ilay sampan-draharaha voatonona sy ireo voasoloky. Natao ny velam-pandrika fa homena mivantana ilay vola notakiana. Vokany, voasambotra ilay rangahy, mbola hita teny aminy koa ireo fitomboka hosoka sy “ordinateur portable” fampiasany amin’ny asa ratsiny.
Henintsoa Hani