Voasambotry ny polisy any Antsirabe ireo mpangarom-paosy telo lahy ny alahady teo. Anisan’ny toerana malaza amin’ny fisian’ny fangaronam-paosy sy fanendahana Antsirabe, raha ny tatitra voaray. Tonga nitaraina teny anivon’ny polisy ny kaomitin’ny tsena any an-teorana sy ireo lasibatr’izany asa ratsy izany, hoy ny polisy. Tsy sahy miteny ireo voaendaka satria matahotra ny hovonoin-dry zareo. Nidina ifotony avy hatrany ireo polisin’ny UIR any an-toerana nanao ny fikarohana. Nifanena tamina roa lahy avy nangalatra tao Ambavahadimangatsiaka izy ireo, tamin’izany. Nandositra avy hatrany ry zalahy rehefa nahita ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta ka voasambotra izy ireo. Nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ka voampanga ho anisan’ny andian-jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy eo amin’ny tanàna. Tsiahivina fa efa notazonina tao amin’ny kaomisarian’ny polisy i Eric, iray tamin’ireto tontakely ireto talohan’izao. Niverina nanohy ny asa ratsy niaraka tamin’ity namany ity indray anefa izy, rehefa navoakan’ny polisy.
Ankoatr’io, jiolahy iray hafa tratra nangarom-paosy Ramatoa iray teny Andrefantsena, ny alahady maraina ihany. Vaoendaka teny ambony “cyclo-pousse” ity ramatoa ity ka very tamin’izany ny finday. Tonga teny an-toerana nisava ny manodidina ny polisin’ny UIR, ka tratra tany amin’ity tovolahy nampiahiahy ity ny finday. Nafenin’ilay jiolahy tany anaty kilaotiny ny finday nangalariny. Naiditra am-ponja vonjimaika izy telo lahy ireo rehefa avy nohadihadian’ny polisy tany Antsirabe. Mitohy hatrany ny fiarovana ny vahoaka amin’ny asan-jiolahy, hoy ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Antsirabe. Mila mailo hatrany ny tsirairay amin’izao akaiky fety izao, araka ny fanazavana hatrany.
Mino (Mpianatra Asa)