Voatazona am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo i Soandro, lehilahy 48 taona, monina ao Ambohimandroso Andrefana, fokontany sy kaominina Ambatolahy. Milaza fa afaka mamoaka olona migadra ao an-toerana izy. Nambarany koa fa mahafantatra olona ao amin’ny fitsarana ao Miandrivazo izy handreseny lahatra olona. Araka izany, nifanena tamina vehivavy iray avy any Belo-Tsiribihina, nandalo tao Ambatolahy, ny lehilahy. Misazy ao amin’ny fonjan’i Miandrivazo mantsy ny anadahin’ity ramatoa ka nangalany vola mitentina 800.000Ar, rehefa resy lahatra tamin’ilay filazana. Dila anefa ny fe-potoana ,15 septambra nifanarahan’ny roa tonta. Vokany, nitory teny amin’ny zandarimaria ilay vehivavy. Araka izany, nokarohina i Soandro ka tsy tratra raha tsy telo volana taty aoriana.
Henintsoa H.