Voahitsaky ny kamiao: raim-pianakaviana, nipotsaka atidoha

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao mihazo ny Rocade Iarivo, omaly. Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao teo amin’ny lohany.

Maty teo no ho eo, lehilahy iray voahitsaky ny kamiao lehibe iray teny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo, omaly tamin’ny 3 ora to­lakandro. Kamiao mpitatitra fako miasa ao an-dRenivohitra avy any amin’ny mikoja. Nija­no­na teo anatin’ny arabe ane­fa ny lehilahy iray. Nialoalo tsy ni­hetsika izy rehefa nahatazana ny fiarabe nandalo. Na­nam­bana hitsoraka tamin’ny arabe ilay lehilahy saingy na­nao ho sahy tsy ho sahy. Taitra ny mpa­mily ny fiara. Niezaka niala ilay mpandeha an-tongotra ity farany. Poa toy izay, voahitsaka teo amin’ny lohany ilay lehilahy. Nandrika ny ra. Maty teo no ho eo izy. Nidina ifotony nandamina ny fifamoivoizana sy nandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ny polisim-pirenena.

Fiara roa nifandona

Niala moto, fiara iray nifatratra tamin’ny fiara hafa nifanoha-dalana taminy, tao Antsi­rabe Renivohitra, omaly maraina. “Nisisika tampoka tao anelanelan’ny fiara roa hifanena ilay moto”, araka ny fanazavan’ny polisy eo anivon’ny kaomisaria Central ao an-toerana. Tsy nahatana ny fa­miliana ny fiara iray ka nidona avy hatrany tamin’ny fiara hafa. Vokatry ny fifandonana, niharan-doza koa ny cyclo-pousse taorian’ny fiara nitera-doza. Tsy nisy aina nafoy saingy naratra ny ramatoa iray nitondra fiara niampy ilay mpitondra moto sy cyclo-pousse. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: