“Raharaha volamena 73, 5 kg”: nohenoin’ny Pac ireo vavolombelona miisa 80

Nitohy omaly ary mety ho nandoaka alina ny fiakaran’ny “Raharaha volamena 73,5 kg”, naondrana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha. Nohenoin’ny mpitsara avokoa ireo vavolombelona maromaro.

Miisa 80 ireo vavolombelona nohenoin’ny teo anivon’ny fampanoavana. Eo ireo najoro, naneho ny fiarovana ireo ahina ho voasaringotra amin’ity raharaha ity. Fa teo koa ireo vavolombelona, nanitrikitrika sy nandentika ny sasany amin’ireo ahina ho tafiditra amin’izany.
Efa nialohavan’ny fanadihadian’ny mpitsara ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fiahiana ny fifamoivoizana ana habakabaka (ACM) izany. Nitsipaka marindrano ny fiahiahiana sy fanenjehana azy ho mpiray tendro amin’izany fanondranana an-tsokosoko io volamena io ny tale jeneralin’ny ACM, Rabemanantsoa Tovo sy ny mpisolovava azy, ny Me Raoelison Christian. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny tsy naha teto an-toerana ity tompon’andraikitra ity tamin’ny fotoana nisehoan’
izany. “Tsy nahalala na nanasonia ny fahazoan-dalana ho an’ilay fiaramanidina manokana “Jet privé” nambara fa nitondra ny entana. Tsy fantatray koa ny fisian’ny fangatahana fahazoan-dalana ho
amin’izany sidina izany”, hoy izy ireo. Notsipihin’ny mpisolovava fa tsy manana andraikitra amin’io raharaha io ny tale jeneralin’ny ACM.

Samy tsy nahalala ny fisian’ilay volamena…
Etsy andaniny anefa, na­nambara ny sekretera jenera­lin’ny ACM, Rabeniraka Alain fa tokony ho nahalala io sidina sy ny zotra nalehan’io “Jet privé” io ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny ACM. Samy nanitrikitrika ny tsy fahalalan’izy ireo ny fisian’ny volamena tao anaty fiaramanidina manokana io avokoa ny sekretera jeneraly sy ny tale jeneraly.
Tsiahivina fa efa nahazo fahafahana vonjimaika ary naato tamin’ny asany io tale io rehefa notanana teny Tsiafahy raha noesorina amin’ny toerany kosa ny sekretera jeneralin’ny ACM.

Synèse R.

Partager sur: