Tsy nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fikasana hanaovana latsa-bato ny fitsapaham-pitokisana, fa zavatra noforonina ary natao niharihary teo imason’ny vahoaka ny lainga sy ny famitahana tamin’izany, araka ny fanazavan’ny avy amin’ny vondrona parlemantera GPR, ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Johasy Eléonore, momba ny fanangonan-tsonia tamin’iny fitsapaham-pitokisana iny.
“Nolazaina fa hoe mila tsirihina ny sonia tao anatin’ireo sonia 105 hametrahana ny fitsipaham-pitokisana”, hoy izy. Tsy voalaza ao anatin’ny fitsipika anatiny eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny And. 195 sy 196, ny hoe mila fanaovana fitsirihana ny sonia amin’ny fametrahana izay fitsipaham-pitokisana izay. Andrimpanjakana ny resaka eto, misy fomba fiasa ary hain-dry zareo ny mametraka amin’ny maha izy azy ny Antenimierampirenena.
“Fanaratsiana anay solombavambahoaka no heno sy aely eto amin’ny firenena. Nefa misy ny lalàna fototra dia ny lalàmpanorenana eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy ihany izy. Tsy misy lalàna mihoatra ny lalàmpanorenana, izay mametraka mazava tsara fa fomba sy sata demokratika ny fanaovan’ny Antenimierampirenena fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Tsy fahotana izany. Satria ny fitsipaham-pitokisana dia fanovana fotsiny ny mpitarika eo anivon’ny governemanta. Tsy fanohintohinana ny fiainam-pirenena izany, fa fitadiavana ny tsaratsara kokoa.
R. Nd.