Toe-draharaham-pirenena : tsy manana ahiahy ny Vondrona afrikanina

“Amin’izao fotoana izao aloha, tsy manana ahiahy ny amin’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara izahay. Velona sy mihetsika ny fiainana politika eto. Izay. Miara-miasa ny rehetra mba hanamafisana ny fandriampahalemana”, hoy ny solonte­nan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, taorian’ny atrikasa teny Ivandry, afakomaly, momba ny toe-draharaham-pirenena, tao­rian’ny fitsipaham-pitokisana tsy tanteraka nokasain’ny Antenimierampirenena hatao tamin’ny governemanta.
Izay ny fiainana politika. Ao anatin’ny fiainana politika, misy kely hatrany ireo tsy fitovian-kevitra sy fijery. Anjara toeran’ny parlemantera: manontany ary atao ny ahazoana ny resaka. Manaja ny anjara toerany ny fijo­roan’ny Antenimierampire­nena, ary mametraka sy mandamina haingana ny raharaha. Amin’izany dingana izany, tsy misy intsony ny olana.

Afa-manohy ny fiaraha-miasa hatrany ny rehetra

“Heveriko fa afa-manohy ny fiaraha-miasa hatrany ny rehetra”, hoy izy. Zava-dehibe ny fahamarinan-toerana politika, indrindra eo anivon’ny andrimpanjakana. Tokony hiasa ara-dalàna ireo andrimpanjakana misy mba hametrahana fahamarinan-toeran’ny firenena. Raha misy ny fifampitsabahana andraikitra eo anivon’ireo andrimpanjakana politika eto amin’ny firenena, hisy ny olana.
Noho izany, samy manana ny anjara toerany ireo andrimpanjakana ary marina fa tokony hisy fiaraha-miasa akaiky miaraka amin’ny governemanta, miaraka amin’ireo mpiantsehatra, miaraka amin’ ny vahoaka izay manana ny hetahetany. Mila demokrasia ny vahoaka.
“Mampahatsiahy izahay fa ny mpiantsehatra politika sy ny manampahafena dia tokony hanaja ny lalàna velona”, hoy ihany izy. Andry eo amin’ny demokrasia sy ny fahamarinan-toerana kosa ny fitsarana.

R. Nd.

Partager sur: