Lakana nivadika : olona dimy maty, telo hafa mbola karohina

Olona dimy, indray namoy ny ainy raha telo hafa kosa mbola karohina hatramin’ny omaly, araka ny tatitra nampitain’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Am­ba­tondrazaka momba ny fivadihan’ny lakana tao amin’ny distrikan’Amparafaravola, ny alarobia teo. Niala tao Ana­latsivaha, fokontany Ambohi­mahavelona, kaominina Ano­roro, Amparafaravola, nikarama nitondra vary ny lakana roa niaraka tamin’ny olona valo. Samy nitondra vary 50 kg akotry ireo lakana roa ireo, izany hoe, lakana iray nitondra olona dimy miampy vary 50 kg, lakana iray hafa nitondra olona telo miaraka amin’ny vary 50 kg. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no niainga hihazo an’Ambato­so­ratra Amparafaravola ireto lakana ireto. Teny an-dalana efa nahavita 10 km eo ho eo, nisy tafio-drivotra tampoka ka nampilentika ny lakana iray. Nikoropaka noho izany ny iray ka nilentika ihany koa. Voalazan’ny zandary fa tsy mbola nisy ny fitadiavana natao tamin’io fotoana io fa afakomaly kosa no niantomboka izany taorian’ny antso nataon’ny fianakavian’ireo niharam-boina. Efa nitsingevana ny lakana iray ka teo no nahafantaran’ireo mpanao fikarohana fa niharan-doza avokoa ireo olona valo. Nanao izay ho afany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona nikaroka ireo niharam-boina ka olona dimy no hita omaly maraina ka efa nalefa any Ambatosoratra raha mbola tsy hita popoka kosa ireo olona telo hafa. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ireo olona telo hafa.

J.C

Partager sur: