Hivelatra amin’ny sehatra hafa ho amin’ny fampandrosoana. Hifarana tsy ho ela ny fe-potoana iasan’ny ambasadaoro Egiptianina teto Madagasikara, i Usama Saeed Khalil. Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo ny tenany, omaly.
Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina indrindra sady nanamarika izany ny nanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny fanamboarana ny lalambe migodana “Autoroute” mampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina. Mivonona hifanohana amintsika koa izy ireo amin’ny fikasan’ny orinasa lehibe any Egypta hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany ary koa hampiasa vola eto amntsika. Hiara-hiasa amin’ny orinasa malagasy. “Efa nisy ny fanomanana niandraiketan’ny masoivoho izany. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina sy ny fifandraisan-davitra ihany koa”, hoy ny vahiny. Nanteriny fa hanampy amin’ny fanatanterahana ny vinam-pampandrosoana tarihin’ny filoha Rajoelina Andry, amin’ny alalan’ny Planina hoenti-mampandroso “PEM” izany, araka ny nambarany.
Synèse R.