Hetsika lehibe ahafahana mamantatra sy mampahafantatra kolontsaina maro ny hetsika “Kolontsaina maroloko”. Fotoana ihany koa hiraisana sy hifanakalozana ho an’ny tsy mitovy fiaviana, indrindra ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo.
Tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 15 sy 16 desambra 2022, ny hetsika “Kolontsaina maroloko”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny sampandraharahan’ny kolontsaina eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Tranoheva 55 isa ary mpianatra avy any amin’ny faritra sy sampam-pianarana maro no mandray anjara. “Mirehareha amin’ny kolontsainy ary liana amin’ny an’ny hafa ny tanora saingy ny fotoana hanehoana sy hahafantarany izany no tsy misy”, hoy Rakotomalala Nirina, tompon’andraikitry ny sampandraharahan’ny kolontsaina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Kolontsaina maroloko tokoa satria ny avy any amin’ny faritra sy ny avy any ivelany no asehon’ny mpianatra sy mpandray anjara.Tanjon’ny hetsika ny fampitambarana sy fampiraisan-kina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo. Eo ihany koa ny fanasongadinana ny lafiny kolontsaina eny amin’ny anjerimanontolo. Diabe nanehoan’ny mpandray anjara ny kolontsainy no nanokafana ny hetsika. Tao ny naneho ny kolontsain’ny faritra. Nisy ihany koa ny nanao fitafin’ny firenena vahiny izay ianaran’izy ireo ny teniny. Kilalao, asa tanana, zavakanto, sakafo, fomba sy fitafiana, faritra na firenena iray no aranty eny Ankatso. Ao koa ny fampisehoana sy fanentanana ary valandresaka momba ny kolontsaina, iarahana amin’ny manam-pahaizana misehatra amin’izany. Hisy ny fampisehoana ho famaranana ny hetsika.
Lin (mpianatra asa)