Mihatra avy hatrany ny lalàna ho an’ireo mikasa hanakorontana mandritra ny fiandrasana ny voka-pifidianana solombavambahoaka. Tsy handefitra ny eo anivon’ny Emmo/Nat, araka ny tatitry ny lehibeny, ny faran’ny herinandro teo.
“Handray fepetra ary tsy handefitra amin’ireo minia mamboly fanakorontanana fa indrindra ny fanaparitahana vaovao tsy marina momba ny voka-pifidianana ny mpitandro filaminana”, hoy ny lehibe mpitarika ny Emmo/Nat, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Toby Ratsimandrava, ny sabotsy teo. Manoloana ny trangana fanakorontanana nisy nandritra ny fotoam-pifidianana solombavambahoaka teo ireny no anton’izao fanambarana nataon’ny Emmo/Nat izao. “Tsy handefitra manoloana ireo trangana fanakorontanana amin’izao fotoana fiandrasana ny valim-pifidianana solombavambahoaka izao », araka ny fanazavan’ny mpitarika ny Emmo/Nat hatrany. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ihany no manana fahefana amin’ny famoahana ny voka-pifidianana ka miantso ny rehetra ny mpitandro filaminana tsy ho voarebirebin’ireo mpanaparitaka vaovao tsy marim-pototra, indrindra any amin’ny tambajotran-tserasera.
Nisy nandoro
Toeram-pikirakirana voka-pifidianana miisa roa no nisy nandoro, ny faran’ny herinandro teo. Lasibatra tamin’izany, ny SRMV tao Tsiroanomandidy, ny sabotsy 1 mey, tamin’ny 3 ora maraina. « Tsy misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana io fahamaizana io satria 10% tamin’ny vokatra no may. Efa vita fikirakirana avokoa anefa ny vokatra”, hoy ny fanazavan’ny minisitra delegen’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Ankoatra io, niharan’ny fahamaizana koa, ny toeram-pikirakirana voka-pifidianana ao amin’ny distrikan’i Tsihombe, ny farany herinandro teo. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. “Manome baiko ireo mpitandro filaminana manerana ny Nosy ny Emmo/Nat haneho ny fahaiza-manao amin’ny fampiharana ny lalàna, indrindra haneho ny fiaraha-misalahy amin’ny fanatanterahana ny adidy sahaniny”, hoy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert. Marihina fa nanotrona izao fanambarana miaraka izao ny lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police Rakotozanany Dany Marius.
Jean Claude/Tsiferana R.