«Caméra de surveillance » 1 200 : hamaha ny olan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra

Tafiditra tanteraka amin’ny fampandrosoana anatin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fifandraisan-davitra ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Hanara-maso ireo zava-mitranga amin’ireo toerana 300 ireo « caméra » napetraka manomboka izao.

Miroso anatin’ny fampivoarana ara-kajy mirindra toy ny tanàn-dehibe any ivelany, miisa 1.200 ireo «caméra» tafapetraka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Notsinjaraina amin’ny toerana miisa 300, hanampy ny mpitandro filaminana amin’ny fandrindrana asa ireto fitaovana hiaka farany ireto. Lohalaharana ny fandrindrana ny olan’ny fitaterana amin’ny alalan’ireto fitaovana ireto. «Hanampy ny mpitandro filaminana hamaha ny olan’ny fifamoivoizana eto an-dRe­nivohitra ireo caméra ireo», hoy ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra, Razafin­dramalo Tahina. Entina hanaraha-maso ny fandriampahalemana eto Antananarivo sy ny manodidina koa ireo fitaovana ireo. Ankoatra izay, efa napetraka eny amin’ny toerana voatokana, hampiasain’ny mpitandro filaminana koa, ny fitaovana sasany toy ny «drone». Hotantanin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­laminam-bahoaka kosa ireto fitaovana ireto. “Efa niofana manokana teto an-toerana sy tany ivelany ireo mpikirakira mivantana ireo caméra ireo”, hoy ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys. Miara-miasa mivantana amin’ ny fitsarana amin’ny fahafahana mampiasa ny sary amin’ny raharaha ilana izany izy ireo. Mahatratra 700.000 Tera ny “base de données” hikirakirana ireto «caméra» ireto.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: